Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Авторы книги: id книги: 2096840     Оценка: 0.0     Голосов: 0     Отзывы, комментарии: 0 250,03 руб.     (2,7$) Читать книгу Купить и скачать книгу Электронная книга Жанр: Словари Правообладатель и/или издательство: Tektime S.r.l.s. Дата добавления в каталог КнигаЛит: ISBN: 9788835425526 Скачать фрагмент в формате   fb2   fb2.zip Возрастное ограничение: 0+ Оглавление Отрывок из книги

Реклама. ООО «ЛитРес», ИНН: 7719571260.

Описание книги

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin’ny aizina, hery ratsy, herin’ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin’izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan’ny Efesiana 6:12 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin’ny aizina, hery ratsy, herin’ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin’izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan’ny Efesiana 6:12 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Rehefa mihevitra ny Vavaka anoherana ny herin’ny aizina isika dia mila mahatakatra fa ao anaty ady isika. Ady maro no mamorona ireo singa kely kokoa amin’ny tena zava-dehibe. Ara-pamaritana, ny ady dia mitaky fifanandrinana eo amin’olona anankiroa, eo amin’olona mifampiandany ary eo amina tafika, ary izy io dia izay karazana “fifaninanana na tolona na adihevitra maharitra ela” rehetra. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia ao anatina ady ara-panahy amina karazany tsy voafaritra isika isan’andro. Ao anatin’ny ady lehibe dia iadiana amina toerana ifanandrinana samy hafa ny ady, noho ny antony samy hafa ary amina lentam-pahamafisana miovaova. Mitovy amin’izany ny ady ara-panahy. Tena misy ireo adintsika ara-panahy na dia tsy hitantsika ara-batana aza ny mpanafika. Izao anefa, azontsika atao ny mampianatra ny tenantsika ny fomba iadiana ireo ady ireo sy ny fomba iantraikàn’izy ireo amin’ny fiainantsika isan’andro. Mila manontany tena isika hoe “Inona no antony tokony hiadiantsika?” Tsy hahasoa antsika ny hampianatra ady ny tenantsika raha tsy mahita antony anaovana ilay ady isika. Zavatra tena iadian-kevitra tokoa eo amin’ny fanjakan’ny azo tsapain-tànana ny ady. Ireny toetra, finoana ary faharesen-dahatra ireny dia hifindra any amin’ny fanjakan’ny ara-panahy. Na izany aza, ao amin’ny fanjakan’ny ara-panahy dia misy ady mandeha na dia eo aza ny hevitsika manokana. Na isika mpandresy, na isika iharam-boina. Tonga i Jesosy ary naharesy. Efa azo any an-danitra ny fandresena amin’ny ady. Ao amin’ny Matio 28:18 dia miteny amintsika i Jesosy hoe “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Ananantsika ankehitriny ny tombotsoa hànana fifandraisana mandrakizay amin’Andriamanitra. Maro amintsika no miditra amin’izany fanekem-pamonjena izany amin’ny alalan’ny fahasoavana. Saingy tsy mikasika ny famonjena antsika fotsiny ny Matio 28:18; momba ny fandresentsika isan’andro ihany koa izy io, izay mitambatra ho fiainana feno fandresena ao amin’i Kristy. Ny fandresena isan’andro dia azo amin’ny alalan’ny fahafantarana sy finoana ary fahatakarana ireo ady izay iaretantsika isan’andro, na tsy manao na inona na inona ianao na manao zavatra ao anatin’izany ady izany. Tianao ho azo izao dia izao ve ny zavatra rehetra tian’Andriamanitra ho anao etỳ an-tany, sa te-hiandry ho tonga any an-danitra ianao vao handray ny fandresena sy fitahiana? Ao anatin’ity Boky ity dia ho takatrao ny Adin’ny Ady lehibe ara-panahy miaraka amina vavaka mihoatra ny 500 izay hahafahanao manohitra ireo herin’ny fahamaizinana ary ho mpandresy. Ireo vavaka ireo dia miantoka fa ho azonao indray ny fanananao sy ny fahafahana hahomby nomen’Andriamanitra anao ao anatinao. Ho azonao daholo ihany koa ny zavatra rehetra izay nesorin’ny Devoly taminao. Miatrika ireto fanamby manaraka ireto ve ianao, miaina amina toetran’ny antikristy ary manaraka ny Foto-pampianaran’izy ireo, Miaina tsy misy finoana, Fakam-panahy ara-nofo ho an’ireo tsy manambady, Herisetra ara-nofo, Fisaraham-panambadiana, Fahapoteham-piainana, Fahantrana, Tsy fisiam-pifantohana, Fikorontanan-tsaina, Filàna olona mitovy fananahana amin’ny tena, Filàna vehivavy mitovy amin’ny tena, Fiankinan-doha amin-java-mahadomelina, Tsy fananana asa, Tsy fananana tanjona mazava, Fikorontanan-tsaina, Kamo mivavaka, Tsy te hanompo an’Andriamanitra sy ireo maro hafa. Raha izany, boky tena tokony hovidinao ity boky ity. Raha misy atrehinao amin’ireo olana eo ambony ireo dia mila mahery setra ianao manao ireto vavaka manaraka ireto. Tsy misy olana mihoatra an’Andriamanitra.

Оглавление

Dr. Olusola Coker. Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy

Отрывок из книги

Teboka iaingam-bavaka mba hamotsorana ny herin'Andriamanitra

Fiatrehana Voalohany: Vavaka ady ara-panahy mandritra ny 7 andro

.....

Andro faha-19: Fanafahana tanteraka amina vady fanahy

Andro faha-20: Vavaka fanafahana amin’ny fanahin’i Jezebela

.....

Добавление нового отзыва

Комментарий Поле, отмеченное звёздочкой  — обязательно к заполнению

Отзывы и комментарии читателей

Нет рецензий. Будьте первым, кто напишет рецензию на книгу Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Подняться наверх